Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin’ ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin’ ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin’ ny fitoerana avo.